L’intelligence du coeur
décembre 18, 2006
Miresaka Intelligence Emotionnelle ihany koa ity boky nosoratan’i Isabelle FILLIOZAT. Anisan’ny zavatra misongadina ny fampisehoany hoe ny fihetsika sy ny toetra hananana aty aoriana dia tsy maintsy misy hifandraisany tamin’ny fomba nanabeazana taloha. Raha azo atao hoy izy dia aleo ny olona, ny zaza na ny ankizy haneho ny émotions, ohatra hoe raha mitomany rehefa misy manjo dia tsy tokony sakanana fa manamora kokoa ny deuil izany. Nasiany resaka misimisy koa ny fitaizana sy ny fanabeazana ny zaza satria tena miraikitra ao anatin’ny zaza tokoa indrindra ny fibedesana azy amin’ny zavatra tsy mitombina fa entin’ny fahasendaorana fotsiny ohatra. Tsara ilay boky na dia somary lava aza.